lundi 31 mars 2014

Fiofanana mikasika ny fiainam-pirenena Andrambato



 


Natao teto Andrambato ny Asabotsy 22 sy 29 Marsa maraina teo ny fiofanana ho an’ireo Masera eto amin’ny Délégation «Marie Reine de la Paix» mikasika ny fiainam-pirenena izay niarahana tamin’ny Jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe.

Zana-kevitra efatra àry no nentina nanazavana ny fiainam-pirenena izay sady nahakasika ny tantaram-pirenena tany aloha koa, dia tsy inona fa ny hoe:

  1. Madagasikara dia firenena manan-karena
  2. Madagasikara dia firenena matanjak
  3. Fa maninona anefa no mahantra ?
  4. Anatin’ny vanim-potoanan’ny fanatontoloana

Fanazavana tsotra nefa mafonja sy mahalaza zavatra betsaka manampy hisaina sy handinika manoloana ny zava-misy iainana amin’izao fotoana izao no nentiny namelabelarana an’ireo. Ka voakasik’izany daholo na ny isam-batan’olona, na ny isan-tokan-trano na ny fiaraha-monina; na olon-tsotra izany na mpitondra. Nanampy an’izany koa ireo ohatra mivaingana, hita maso ary iainana andavan’andro nanohanany ny fanazavany.

Fiainam-pirenena no tena noresahiny fa misy hifandraisany be dia be amin’ny fiaintsika Relijiozy amin’ny maha-Iraka sy mpanabe antsika eo anivon’ny seha-pikatrohana isankarazany na ao amin’ny fiaraha-monina izany na eo amin’ny Fiangonana. Niverimberina tamin’ny fampianarany ary tafalatsaka tao am-pon’ny rehetra ny hoe: «tokony hanabe olona tompon’andraikitra isika fa tsy olona tompon-toerana !»

Ny Masera miasa any Ankazoabo moa dia nanana ny fiofanana ho azy manokana nohon’ny halaviran-toerana.

vendredi 21 mars 2014

Fiatahana Masin’ny mpianatra any Mandiavato



Tamin’ny Alakamisy 20 Marsa teo no nanao ny Fiatahana Masina amin’izao Karemy izao ireo mpianatra ao amin’ny Kolejy Maria Renin’ny Fiangonana ao Mandiavato. Tonga nanampy an-dry Masera tamin’izany ireo seminarista avy any Antsofinondry niaraka tamin’i P. Mamisoa Ramanandafy.


Nifantoka tamin’ny hafatry ny Papa François amin’izao Karemy izao ny dinika ary nofaranana tamin’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Kônfesy.


 

Tamin’ny 2ora tolak’andro kosa no niaraha-nankalaza ny Eokaristia izay notarihin’i P. Mamisoa.
Samy nahatsapa hafaliana ny rehetra nohon’ny vatsy masina noraisina hoenti-mamakivaky izao vanim-potoana lehibe ao amin’ny Fiangonana izao sy hiomanana amin’ny Paka.

mardi 18 mars 2014

Fihaonana faharoa niaraka amin’ny Tanora tany Miandrarivo



Noho ny fahitana ny hamaroan’ny TANORA eto Miandrarivo dia natsidika tamin’ny Pretra ny vinavina hanangana eo anivon’ny fiangonana ny «vovonan’ny tanora» ka 12 taona – 30 taona eo no tafiditra amin’izany.

       Ny dingana voalohany natao: fijerena sy firesahana manokana tamin’ny tsirairay tamin’ireo olona noheverina fa hahavita hitantana azy ireo miaraka aminay Masera. rehefa nanaiky ireo olona vitsivitsy  fa adidy masina izany dia nantsoina hiara-mamolavola ny hevitra rehetra ao anatin’izany.Tena zava-baovao ho an’ny rehetra ka nahaliana ny maro. In-3 nivory ireo zay antsoina hoe «encadreures». Nampahafantarina azy ireo ny tantaran’i D.Orione niaraka tamin’ny tanora sy ilay teniny malaza hoe «kolokoloy ny tanora fa izy ireny no ho kotrobaratra na masoandro… ». Nampiana koa ny fanentanana tao am-piangonana.

        Notanterahina ny 16 Mars 2014 tolak’andro teo ny fihaonam-be voalohany fa efa faha-2 kosa no niantsoanay Masera azy ireo. Maro ny tanora nanohina ny antso, ireo avy lavitra kosa dia mbola nahatadidy ny fotoana nifanomezana. 210 teo izy ireono tonga ka ny tovovavy no maro an’isa.

*Tamin’ny tampany voalohany : dia namelabelarana ny hafatry ny Papa François ho an’ny KAREMY, momba ny fitiavan’Andriamanitra hamonjy ny olombelona ka nialany ny maha-Andriamanitra Azy ary nanaiky hahantra mba hampana-karena antsika, tsy tamin’ny hery fampiasan’izao tontolo izao fa tamin’ny fitiavana sy famindram-po. Avy eo novakiana isaky ny ampahany ireo fahoriana na fahantrana 3 nolazain’ny Papa narahina fampadinihana fohy avy, dia fahantrana ara-pitaovana, ara-pitondratena ary ara-panahy. Kristy sy ny Envanjely ary ny fahatokisana ny famindram-pon’Andriamanitra lehibe no manafaka amin’ireo. Vatsi-panahy fohy nentina nody ireo.

*Tamin’ny tapany faharoa: dia niditra tamin’ny fizarana gropy nampandraisan’ireo tanora anjara mivantana eo anivon’ny fiangonana  araka ny sokajin-taonany sy  araka ny andraikitra nomanina ho azy ireo zay tena nahalina koa. Dia nohazavaina aloha ny momba ny atao hoe «vovonana». Betsaka ny fanabeazana mety atolotra. Tsapa fa tena manantena azy ireo ny Fiangonana ka irariana mba samy haharitra hitady ny soa miaraka amin’i KRISTY.

Ireo ao amin’ny «encadreur» moa dia ahitana Mpampianatry ny misiona sy ny fanjakana, ny tomponan-draikitra eo anivon’ny  kominina, sage-femme, ray aman-dreny mahafantatra ny mponina sy ny tantaran’ny fiangonana, ireo nanana traikefa tamin’ny toerana hafa momba ny fitantanana tanora. Nomarihina tamin’izy ireo tsara fa na eo ny Masera na tsy eo dia tokony haharitra ny «vovonana», ny Masera dia zoky am-panahy miara-mamindra amin’izy ireo ihany.

Manomboka isika hoy D. Orione fa Andriamanitra no miasa. Alao hery àry fa miandry antsika koa ny olona tanimbolin’Izy Tompo. Misaotra amin’ny fifanohanana am-bavaka.   

lundi 17 mars 2014

Fiatahana Masina nataon’ireo tanora ao amin’ny Promotion féminine




Nanao Fiatahana Masina teny Mandrimena – Andoharanofotsy ireo tanora mianatra asa tànana ao amin’ny Centre «Luigi Orione» avy ao amin’ny Sekoly Andrambato sy Anatihazo. 100 teo ny isan’izy ireo ary niaraka tamin’izy ireo koa ny Mpampianatra sy ny Masera mpiandraikitra. 

«Fa maninona no manao Fiatahana Masina?» izay fanontaniana izay nampifandraisina tamin’ny «Karemy»no nifampizaran’i Mompera Jean Jeacques Berthieu Rambolamanana tamin’izy ireo. Anisan’ny noresahiny moa ny fiainan’ny tanora manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia ankehitriny. Variana amin’ireny ny tanora sasany dia manadino ny fisian’Andriamanitra mihitsy aza.


Teo am-pamaranana ny fampianarany, dia namporisihiny izy ireo mba hanokana fotoana na dia kely aza isan’andro ho an’Andriamanitra. Rehefa vita ny Lamesa dia namonjy fodiana ny rehetra