lundi 28 avril 2014

Canonisation de Jean XXIII et de Jean Paul II (de Rome)

"Deux hommes courageux"  


« Saint Jean XXIII et saint Jean Paul II ont eu le courage de regarder les plaies de Jésus, de toucher ses mains blessées et son côté transpercé. Ils n’ont pas eu honte de la chair du Christ, ils ne se sont pas scandalisés de lui, de sa croix ; ils n’ont pas eu honte de la chair du frère (Cf. Is 58,7), 
parce qu’en toute personne souffrante ils voyaient Jésus. Ils ont été deux hommes courageux, remplis de la liberté et du courage (parresia) du Saint Esprit, et ils ont rendu témoignage à l’Église et au monde de la bonté de Dieu, de sa miséricorde ».


IIe Dimanche après Pâques
 (ou de la Divine Miséricorde),
 27 avril 2014

 
















Nahazo Olomasina roa indray ny Fiangonana




Tomefy olona vao maraina ny Kianjan’ny Kôlejy “Masina Misely” – Amparibe ny Alahady 27 avrily, izay nanandratana ho Olomasina ny Papa Joany faha-XXIII sy ny Papa Joany Paoly faha-II. Sorona Masina niombonana tamin’ny Kristianina Katôlika maneran-tany io, fa indrindra fiombonam-po tamin’ny Papa François sy ny kristianina zavon-tany tany Roma toerana nanaovana ny fananganana ho Olomasina.
Ny Diôsezy tsirairay sy ny Distrika ary ny Paroasy dia samy nanana ny fandaminany na teo amin’ny vavaka hateloan’andro nanomanana izao fotoan-dehibe izao na ny hetsika samy hafa. Tamin’ny 8 ora sy sasany no nanomboka ny Sorona Masina notarihin’ny Arseveka Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona niaraka tamin’ny Eveka mpanampy Mgr Jean de Dieu Raoelison sy Pretra marobe.
Hatrany am-panombohana dia efa nosoritsoritan’ny Arseveka ny momba ireto Olomangan’ny Fiangonana ireto sy ny zava-bitany fahavelony. Nasongadiny manokana ny Papa Joany Paoly faha-II izay Papa voalohany namangy an’i Madagasikara tamin’ny taona 1989, fotoana nananganany ho Olontsambatra an’i Victoire Rasoamanarivo. Sambatra isika hoy izy satria efa nandalovan’Olomasina ny tanintsika ary maro amintsika tafavory eto no nahita maso ny Papa Joany Paoly faha-II sy niresaka taminy. 

Anisan’ny nanome voninahitra izao fotoan-dehibe izao ny Filohan’ny Repôblika Atoa Hery Rajaonarimampianina sy ny vadiny, ny Piraiminisitra Kolo Roger sy ny vadiny, ireo Filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka sy Zafy Albert, Minisitra sasantsasany sy olo-manan-kaja hafa.




Teo am-pamaranana, dia nanao tatitra kely mikasika ny resadresaka nifanaovan’ireo Evekan’i Madagasikara nihaona tamin’ny Papa François tamin’ny fitsidihana nataon’izy ireo tany Roma ny volana Marsa teo ny Arseveka. Rehefa izany dia nomeny ny tso-drano ny rehetra.

lundi 21 avril 2014

Vœux de Rome


                                          

"Femme, pourquoi pleures-tu ? Qui cherches-tu ?...
Va donc vers mes frères et dis-leur… " (J 20,15)


L'Amour a vaincu la mort, la lumière a vaincu l'obscurité, Christ est ressuscité ! Je pense bien à vous, à vos familles et je partage avec vous toute la joie et le bonheur de cette période pascale. 

Que la paix du Christ règne dans notre cœur en renforçant l’espoir, la foi et le courage, pour aller où Lui nous envoie.
                       Joyeuses Pâques !

                                  Sœur Marie Bronisława
 Rome, Pâque 2014