mardi 15 mars 2016

Fiofanan’ireo Jeunes Professe



Natao teto Andrambato ny 4 hatramin’ny 6 marsa teo ny fiofanana ho an’ireo Jeunes Professe eto amin’ny Délégation «Marie Reine de la Paix» - Madagascar.

Ny andro voalohany dia niarahana tamin’i P. Augustin Rakotonomenjanahary – Krma, namoaboasany mikasika ny «famindram-po» ao amin’ny Soratra Masina. Nohazavainy ihany koa ny Lôgôn’izao taon-Jöbily izao. Nofintininy ny zotra rehetra natao hatramin’ny nanambaran’ny Ray Masina an’izao Taona izao. Fotoana nanatanterahana ny vavaka 24 ora ho an’ny Tompo araka ny nangatahin’ny Papa moa ny zoma sy Asabotsy, ka nandray anjara tamin’izany ireto Masera.

Ny andro faharoa, dia nitrandrahana ny Famindram-pon’Andriamanitra sy P. Orione izay niarahana tamin’i Sr M. Françoise Ravaoarisoa. Noraisina an-tànana sy niasàna ilay toriteny malaza iray nataon’i P. Orione tany Castelnuovo, momba ilay lehilahy nanisy poizina ny lovian-dreniny. Nisy araka izany ny fandinihana samirery, ny asa isaky ny gropy ary ny tatitra. Ny hariva kosa dia nanentana ny fialam-boly niaraka tamin’ny Ankohonam-piainana izy ireo.
Ny andro fahatelo dia niainana ny  journée de Deo gratias: andro iray nisaorana an’Andriamanitra). Mba hampazava ny tiana hahatongavana dia novakiana izay voalaza ao amin’ny Actes du XI° Chapitre général, fa nentina tamin’ny fomba hafa kosa. Arakan y fanentanan’ny Papa tamin’ilay ensiklika «Laudato si», dia izao vavaka izao no fandraisana anjara miaraka hisaorana Azy Tompo tamin’ny nanomezany ny voaary, ary hakàna fikasana amin’ny fanajàna sy fikoloana ilay tranobe iombonana.

Fa anisan’ny nampahafantarina ireto Masera hoavin’ny Fikambanana ireto koa ireo Boky sasantsasany izay tsara ho fantatra, na dia efa misy hay ihany aza : ny PAI (Projet Apostolique de l’Institut), ny PGF (Plan Général de Formation), ny PEG (Plan Economique Général) ary niampy ny fampitahana nombam-panazavana mikasika ireo laharana vitsivitsy ao amin’ny Lalàam-panorenan’ny Fikambanana nasiam-panovana hita ao amin’ny Acte du XI° Chapitre Général. Rehefa izany moa dia nitohy tamin’ny fanaovana jery todika ny ezaka niaraha-nandray tamin’ny volana aogositra.

Tamin’ny vavaka hariva namaranana ny andro no namakiana andininy vitsivitsy manazava ny atao hoe: «Deo gratias» ao amin’ny PAI. Ny fisaorana an’Andriamanitra moa dia nampiarahana tamin’ny famantarana izay efa nomanin’ny tsirairay ka natao miendrika vavaka. Ny jery todika mikasika ireo andro telo niofanana no namaranana azy

Taorian’ny sakafo hariva kosa dia natokana hifampizaràna ny andram-piainan’ny tsirairay any amin’ny toeram-pikatrohany any avy. Tena nahaliana ny fifampizaràna.