lundi 30 juin 2014

Miarahaba anao Masera M. Fatima



Tamin’ny fomba manetriketrika no namoahana ny mpianatra andiany faha-46 tao amin’ny CNPC (Centre National de Formation Catéchétique) - Antanimena ny Sabotsy 28 jiona teo, izay toerana niofanan’i Sr M. Fatima. Fankalazana ny Eokaristia tao amin’ny la Chapelle ao amin’ny ESCA no nanokafana azy izay notarihin’i Mgr Gaetano di Pierro niaraka tamin’ny Pretra vitsivitsy. 
Marono tonga nanotrona azy ireo: fianakaviana, namana aman-tsakaiza, ny iray Fikambanana sy Paroasy. “IRAKA”, izay no anarana nisaloran’izy ireo, maneho ny fahavononany amin’izay fanirahana miandry ny tsirairay, ka nifototra tamin’izay koa ny toritenin’ny Eveka. Nohamafisiny tamin’izany àry, fa na aiza na aiza, ary na asa inona na asa inona no atao dia iraka foana isika. Iraka mitondra mitory an’i Kristy. Talohan’ny tso-drano no nanolorana azy ireo ny “Diplôme” izay mari-pahaizana ihany moa, satria raha ny fiofanana azon’izy ireo dia betsaka tokoa.
Fisaorana no natolotry ny Eveka sy ireo mpampianatra ny andiany “IRAKA” izay samy nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny filofosana sy fikarohana nandritra izay 2 taona nikatrohana izay. “Nody ventiny ny rano nantsakaina” ankehitriny, ka rariny raha mifaly. Nanolotra fisaorana ny Fikambanan-drelijiozy sy ireo nandefa olona hiofana ao amin’ny Centre ihany koa ny Eveka, satria izay no antoka mamelo-maso ny Centre.
Rehefa izany dia niroso nankany amin’ny efitrano malalaky ny CNPC ny rehetra hifampizara ny fanalana hetaheta efa nomanin’izy ireo. Samy naneho ny talentany tamin’ny hira sy dihy ireo mpianatra, na ireo vao nahavita na ireo mbola hanohy. Nisy koa ny fanoloran’ireto zoky ny “saina” tamin’ireo zandriny izay narahina fifampirarian-tsoa.

jeudi 26 juin 2014

Arabaina Masera nahavita soa!




Nahavita ny fianarany teny amin’ny Institut Supérieur Professionnel Antamponankatso (I.S.P.A) i Sr M. Jeannette Razanamiharisoa, ka ny Talata 24 jiona teo no nanaovany ny ‘présentation’ ny mémoire. «Contribution à l’amélioration de l’enseignement/apprentissage de la géométrie: les vecteurs du plan en classe de 2nde» io no lohahevitra noraisiny sy nampifantohany ny fikarohana nataony. Na dia teo aza ny tebiteby, dia nandeha tsara ny zavatra rehetra ary “nody ventiny ny rano nantsakaina”.

Ho an’ny Fikambanan’ny Masera Madinika Iraky ny Fitiava-namana eto Madagasikara, dia sambany izao no nisy Masera nandalina manokana an’io taranja Matematika io.
 


Namporisika azy hanohy hatrany ny fikarohany ireo Mpanabe mba ahafahany manampy ireo mpampianatra sy mpianatra hiara-miasa aminy amin’ny Sekoly izay hanirahan’ny Fikambanana azy.

mardi 17 juin 2014

Fiofanana mikasika ny Lectio Divina



Notanterahina teny Ambolonkandrina ny Zoma 13 hatramin’ny Alahady 15 jiona teo ny fiofanana momba ny fanaovana Lectio Divina izay natolotr’i Mompera Domenico Marsaglia, avy amin’ny Fikambanana Domenikana. Any Italie izy no mipetraka fa mamangy aty Madagasikara izy io mandalo io.



Nozaraina in-droa miantoana ny fiofanana ka ny gropy voalohany no izao nahavita izao. Relijiozy mahazo sy afaka miteny italiana no nasaina tamin’izany, ka nisy Fikambanana 5 no nandray anjara tamin’izao, dia ny Petites Servantes du Sacré Cœur, Sœurs Carmélites de Turin, Petites Filles du Sacré Cœur, Petites Sœurs Missionnaires de la Charité ary ny Sœurs Hospitalières de la Miséricorde.

Ny andro voalohany dia nampidirana ireto mpiofana amin’ny toe-tsaina fanaovana Lectio Divina sy nanazavana ireo dingana harahina. Ny andro faharoa sy fahatelo kosa dia sady nanohizana ny fanazavàna no nanaovana Lectio Divina niaraka tamin’i P. Domenico mihitsy.
Nanentana ny tsirairay izy mba hanome lanja sy toerana ambony ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavanandro, satria io no sakafo tena tsara indrindra ho an’ny fanahy, hoy ny Papa François.
Fankalazàna ny Eokaristia no namaranana ireo andro nanovozana herim-panahy ireo. Hita fa faly sady afa-po ny rehetra, satria namaly ny hetaheta te hahafantatra bebe kokoa ny fifandraisana amin’ny Tenin’Andriamanitra izay natao. Mitaky finiavana sy fahavononana ary fotoana ny fanaovana azy, fa voka-tsoa ho an’ny fanahy kosa no entiny.

lundi 19 mai 2014

Doubles célébrations à Madagascar - pour la fête de Père Orione et la Journée Missionnaire Orioniste.



Le dimanche 18 mai, les PSMC ont commencé la fête avec l'Eucharistie présidée par P. Michelin, Carmélite, Curé du District, dans la Paroisse "San Michel" à l'Itaosy. Les Sœurs avec le groupe liturgique de la Paroisse ont animé la célébration.

Depuis 14h à l'Andrambato, a été organisé un moment de distraction et copartage, dans lequel tous les destinataires des services différents des sœurs, les groupes du MLO ont offert danses aux présents.


Ont été organisés aussi les jeux, ventes de gâteaux, de jus de fruits et de yaourt.
 

Tout le monde a pu participer selon les possibilités pour donner leur contribution à la mission des Petites Sœurs Missionnaires de la Charité.




mardi 13 mai 2014

Fête de Jésus bon Pasteur, journée mondiale pour la prière pour les vocations



Les membres du SOLOFO, (garçons et filles en recherche de leur vocation), de la zone de Moramanga ils se sont rencontrés pendant deux jours.

Le samedi ils ont eu une conférence sur la "Vocation" avec du P. Bertrand de la Congrégation Rédemptoristes. Le matin c’est conclu avec la célébration Eucharistique et puis avec le déjeuner. Dans l'après-midi ils ont préparé la Liturgie pour le Dimanche; à la fin de la journée ils ont reçu le Sacrement de la Réconciliation.

Le dimanche, la Sainte Messe a été présidée par Mons. Gaetano de Pierro - évêque de ce Diocèse - dans le Cathédrale, dans laquelle ont participé aussi les chrétiens. Dans l'après-midi, il y avait par contre la fête préparée par les jeunes.

Dans cette rencontre ont participé environs 70 jeunes et nombreux(ses) religieux et religieuses des différentes Congrégations qu'ils sont leurs accompagnateurs et accompagnatrice dans leur chemin vocationnelle.

Fetin’ny Kristy Mpiandry ondry tsara, andron’ny Fiantsoan’Andriamanitra

Nanamarika izay andron’ny Fiantsoan’Andriamanitra izay tamin’ny fomba manokana ireo mpikambana ao amin’ny SOLOFO eto amin’ny faritra Moramanga. Notanterahina tao amin’ny sekolin-dry Masera Saleziana.

Ny Sabotsy maraina dia nisy ny famelabelaran-kevitra mikasika ny fiantsoan’Andriamanitra nataon’i P. Bertrand avy ao amin’ny Fikambanana Redemptoristes. 70 teo ny tanora tonga ary niaraka tamin’izy ireo ny Relijiozy mpiandraikitra ny Solofo. Nofaranana tamin’ny Sorona Masina iny tapany maraina iny, fa ny hariva kosa dia nanomana ny Litorjia ho amin’ny Alahady sy fandraisana ny Sakramentan’ny Fampihavanana.

Ny Alahady maraina dia Sorona Masina niarahana tamin’i Mgr Gaetano di Pierro ary ny tolak’andro dia sahoby notanterahin’ireo tanora.