Tomefy olona vao maraina ny Kianjan’ny Kôlejy “Masina
Misely” – Amparibe ny Alahady 27 avrily, izay nanandratana ho Olomasina ny Papa
Joany faha-XXIII sy ny Papa Joany Paoly faha-II. Sorona Masina niombonana tamin’ny
Kristianina Katôlika maneran-tany io, fa indrindra fiombonam-po tamin’ny Papa
François sy ny kristianina zavon-tany tany Roma toerana nanaovana ny
fananganana ho Olomasina.
Ny Diôsezy tsirairay sy ny Distrika ary ny Paroasy dia
samy nanana ny fandaminany na teo amin’ny vavaka hateloan’andro nanomanana izao
fotoan-dehibe izao na ny hetsika samy hafa. Tamin’ny 8 ora sy sasany no
nanomboka ny Sorona Masina notarihin’ny Arseveka Mgr Odon Marie Arsène
Razanakolona niaraka tamin’ny Eveka mpanampy Mgr Jean de Dieu Raoelison sy
Pretra marobe.
Hatrany am-panombohana dia efa nosoritsoritan’ny
Arseveka ny momba ireto Olomangan’ny Fiangonana ireto sy ny zava-bitany
fahavelony. Nasongadiny manokana ny Papa Joany Paoly faha-II izay Papa
voalohany namangy an’i Madagasikara tamin’ny taona 1989, fotoana nananganany ho
Olontsambatra an’i Victoire Rasoamanarivo. Sambatra isika hoy izy satria efa
nandalovan’Olomasina ny tanintsika ary maro amintsika tafavory eto no nahita
maso ny Papa Joany Paoly faha-II sy niresaka taminy.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire