Araka ny fanentanan’ny Papa Ray Masina François tamin’ity taona natokana ho an’ny olom-boatokana ny 08 desmbra 2014 hatramin’ny 02 fevrier 2016 dia nankalazaina ny alahady 31 janoary 2016 ny famaranana izany taona natokana ho an’ny olom-boatokana izany sady nankalazana ihany koa ny fetin’ny Jiro masina mba ho fiaraha-mankalaza amin’ny kristianina rehetra satria ny 02 febroary 2016 andro talata dia andro fiasana.
Ny relijiozy eto amin’ny
paroasy: Saint Famille sy Petites Soeurs Missionnaires de la Charité no
nitarika ny litorjia ka natomboka tamin’ny fanamasinana ny Labozia dia nanao « procession
» nankany am-piangonana. Nandritra ny toriteny dia nisy ihany koa ny ”Témoignage”
nataon’ny frère sy ny masera iray mampahafantatra ny fiainan’ny olom-boatokana sady
fanentanana ny fiantson’Andriamanitra. Nandritra ny rakitra ihany koa dia mbola
nihira miaraka ireo relijiozy ireo, hanehoana ny firaisankina sy ny fiombonana.
Ny talata 02 febroary
2016 dia
hiaraka hanao ny vavaka hariva ; avy eo hofaranana amin’ny fiaraha-misakafo
hariva.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire