lundi 17 mars 2014

Fiatahana Masina nataon’ireo tanora ao amin’ny Promotion féminine




Nanao Fiatahana Masina teny Mandrimena – Andoharanofotsy ireo tanora mianatra asa tànana ao amin’ny Centre «Luigi Orione» avy ao amin’ny Sekoly Andrambato sy Anatihazo. 100 teo ny isan’izy ireo ary niaraka tamin’izy ireo koa ny Mpampianatra sy ny Masera mpiandraikitra. 

«Fa maninona no manao Fiatahana Masina?» izay fanontaniana izay nampifandraisina tamin’ny «Karemy»no nifampizaran’i Mompera Jean Jeacques Berthieu Rambolamanana tamin’izy ireo. Anisan’ny noresahiny moa ny fiainan’ny tanora manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia ankehitriny. Variana amin’ireny ny tanora sasany dia manadino ny fisian’Andriamanitra mihitsy aza.


Teo am-pamaranana ny fampianarany, dia namporisihiny izy ireo mba hanokana fotoana na dia kely aza isan’andro ho an’Andriamanitra. Rehefa vita ny Lamesa dia namonjy fodiana ny rehetra

samedi 15 mars 2014

Fiatahana Masina nataon’ny Centre «Md Luigi Orione» - Andrambato





Ho fiomanana mba hankalazana tsara ny Fetin’ny Paka dia nanatanteraka Fiatahana Masina ireo Ray aman-dReny sy ankizy ary tanora karakaraina eto amin’ny Centre ka teto Andrambato ihany no nanaovana an’izany. Ny loha hevitra nofidina tamina moa dia hoe: «Ny Karemy sy ny andrasana amintsika amin’ny fiainana azy».

Nozaraina gropy roa izy ireo, ka ny Ray aman-dreny dia niaraka tamin’i Mompera Landry, avy any amin’ny Diosezin’i Fianarantsoa, ary ny ankizy kosa niaraka tamin’i Fr Martin avy amin’ny Fikambanana Carmes.
Ny votoatin’ny fampianarana dia ny fanentanana ny tsirairay handini-tena manoloana ny adidiny sy ny ezaka tokony ho raisiny mba handrosoana amin’ny maha-kristianina sy amin’ny maha-olona, ka na dia eo aza ny fahasahiranana dia tokony homena toerana mandrakariva Andriamanitra.





Làlan’ny Hazofijaliana sy Sorona Masina moa no namaranana ny fotoana.