mercredi 16 avril 2014

Andro faha-29 eran-tany ho an’ny tanora



“Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra” (Mt 5, 3).

Tany Ambohimiadana, Vikaria Atsinanana no nankalazana ny andron’ny tanora teto amin’ny Diosezin’Antananarivo tamin’ity taona ity. Asabotsy 12 avrily ny fahatongavana tany an-toerana fa nisy ihany ireo tonga ny Zoma nohon’ny tsy fisian’ny fitaovam-pitanterana ka sady nanao dia vavaka izy ireo nihazo an’Ambohimiadana.
Ny Asabotsy tolak’andro nanomboka tamin’ny 2 ora ny Katesizy izay nataon’ny Vikera jeneraly R.P. Ludowic Rabenantoandro mikasika indrindra ny fianakaviana sy ny fiainan’ny tanora izay nahaliana tokoa. Avy eo dia nitohy tamin’ny ny Làlan’ny Hazo fijaliana sady nizotra nankany amin’ny terrain izay toerana nilasina. Nandritra iny alin’ny Asabotsy iny dia nisy ny Kônfesy narahin’ny Sorona masina ary ny Fitsaohana ny Sakramenta Masina.
Ny Alahadin’ny Sampan-kazo dia nanomboka tamin’ny 8 ora ny Eokaristia notarihin’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona notronin’ny Eveka mpanampy Mgr Jean de Dieu Raoelison sy Pretra maro be.Teo am-panombohana dia nohazavainy ny taratasin’ny Papa François amin’izao andron’ny tanora izao, tamin’ny alalan’ny famoaboasana ireto fanontaniana telo ireto:


1.       Inona no atao hoe hasambarana?
2.       Iza no mahantra am-panahy?
3.       Inona ary aiza ny Fanjakan’ny lanitra?
Teo am-pamaranana ny Sorona Masina no nanolorana ny Lakroan’ny Diosezy ho tamin’ny Vikaria Avaratra izay handray ny tanora amin’ny taona ho avy. Nanodidina ny 5600 tany ireo tanora tonga, ary nahitana relijiozy lahy sy vavy maro koa.
 





Samy faly ny rehetra nahazo aim-panahy vaovao hamakivakiana ny fiainana sy hankalazana ny Herinandro Masina sy i Kristy nitsangan-ko velona.

mercredi 9 avril 2014

AUDIENCE - Milano



Fanao isan-taona eto amin’ny “Piccolo Cottolengo” – Don Orione eto Milan ny mitondra ireo marary sy sembana miala sasatra kely any amoron-dranomasina miaraka amin’ireo ray aman-dreniny. Niova kely izany tamin’ity taona ity, fa tany Roma no nitondrana azy ireo. Ireo mbola velon-dray aman-dreny moa no niaraka tamin’ireo mpanabe sy ny tompon’andraikitra ary Masera iray. Tamin’ny Alatsinainy 31 marsa hatramin’ny Zoma 4 avrily teo no nanatanterahana an’izany.
Fa ankoatran’ny tso-dranon’ny Papa François, izay fahasoavan-dehibe tokoa, dia nanararaotra nitsidika ireo toerana sy Fiangonana manan-tantara tao Roma koa izahay nandritra ireo andro ireo. Azo lazaina fa hafaliana sy fifankatiavana ary firaisan-kina no nanjaka teo aminay!

mardi 1 avril 2014

Fiofanana hoan’ireo masera sy mpampianatra any Ankazoabo



«Ny Fiangonana aty Afrika manompo ny fampihavanana sy ny rariny ary ny fiadanana» Izay no novoaboasan’i P. Raharison Alain Thierry tamin’ireto mpiofana ny 26-28 marsa teo, tany Ankazoabo, Diosezin’i Morombe. Ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao no noresahina, izay mifamatotra tanteraka amin’ny asa Pastôraly ankinin’ny Fiangonana amintsika, ka izay no antony nandraisany an-tànana an’io taratasy fanentanana apôstôlika vokatry ny Sinôdy «AFRICAE MUNUS»  avy amin’ny Papa Benoît XVI io.
 


Nambarany àry fa tokony hifandanja mandrakariva ao amintsika olombelona ireto andry efatra lehibe ireto, dia: ny zò (Droit), ny adidy (Devoir), ny fitsipika (Discipline) sy ny hasina (Dignité) ary ny Doctrine no eo afovoan’izy ireo.
Fa ankoatran’ny fampiofanana moa dia nitsidika sekoly roa any Ambanivohitra ihany koa, dia tany Besavoa sy Ankilimasy. Na dia tsy zarizary aza ny toerana ianaran’ireo ankizy dia samy mifofotra mafy fa te-hiady amin’ny habadoana! Hoy i P. Alain namerimberina matetika nandritra ireo telo andro ireo hoe: «Mbola midadasika ny sahan’ny fitiavana eto Madagasikara !» Raha ny zava-misy no jerena dia marina tanteraka izany.

lundi 31 mars 2014

Fiofanana mikasika ny fiainam-pirenena Andrambato



 


Natao teto Andrambato ny Asabotsy 22 sy 29 Marsa maraina teo ny fiofanana ho an’ireo Masera eto amin’ny Délégation «Marie Reine de la Paix» mikasika ny fiainam-pirenena izay niarahana tamin’ny Jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe.

Zana-kevitra efatra àry no nentina nanazavana ny fiainam-pirenena izay sady nahakasika ny tantaram-pirenena tany aloha koa, dia tsy inona fa ny hoe:

  1. Madagasikara dia firenena manan-karena
  2. Madagasikara dia firenena matanjak
  3. Fa maninona anefa no mahantra ?
  4. Anatin’ny vanim-potoanan’ny fanatontoloana

Fanazavana tsotra nefa mafonja sy mahalaza zavatra betsaka manampy hisaina sy handinika manoloana ny zava-misy iainana amin’izao fotoana izao no nentiny namelabelarana an’ireo. Ka voakasik’izany daholo na ny isam-batan’olona, na ny isan-tokan-trano na ny fiaraha-monina; na olon-tsotra izany na mpitondra. Nanampy an’izany koa ireo ohatra mivaingana, hita maso ary iainana andavan’andro nanohanany ny fanazavany.

Fiainam-pirenena no tena noresahiny fa misy hifandraisany be dia be amin’ny fiaintsika Relijiozy amin’ny maha-Iraka sy mpanabe antsika eo anivon’ny seha-pikatrohana isankarazany na ao amin’ny fiaraha-monina izany na eo amin’ny Fiangonana. Niverimberina tamin’ny fampianarany ary tafalatsaka tao am-pon’ny rehetra ny hoe: «tokony hanabe olona tompon’andraikitra isika fa tsy olona tompon-toerana !»

Ny Masera miasa any Ankazoabo moa dia nanana ny fiofanana ho azy manokana nohon’ny halaviran-toerana.

vendredi 21 mars 2014

Fiatahana Masin’ny mpianatra any Mandiavato



Tamin’ny Alakamisy 20 Marsa teo no nanao ny Fiatahana Masina amin’izao Karemy izao ireo mpianatra ao amin’ny Kolejy Maria Renin’ny Fiangonana ao Mandiavato. Tonga nanampy an-dry Masera tamin’izany ireo seminarista avy any Antsofinondry niaraka tamin’i P. Mamisoa Ramanandafy.


Nifantoka tamin’ny hafatry ny Papa François amin’izao Karemy izao ny dinika ary nofaranana tamin’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Kônfesy.


 

Tamin’ny 2ora tolak’andro kosa no niaraha-nankalaza ny Eokaristia izay notarihin’i P. Mamisoa.
Samy nahatsapa hafaliana ny rehetra nohon’ny vatsy masina noraisina hoenti-mamakivaky izao vanim-potoana lehibe ao amin’ny Fiangonana izao sy hiomanana amin’ny Paka.