Tamin’ny Alakamisy 20 Marsa teo
no nanao ny Fiatahana Masina amin’izao Karemy izao ireo mpianatra ao amin’ny
Kolejy Maria Renin’ny Fiangonana ao Mandiavato. Tonga nanampy an-dry Masera
tamin’izany ireo seminarista avy any Antsofinondry niaraka tamin’i P. Mamisoa
Ramanandafy.
Nifantoka
tamin’ny hafatry ny Papa François amin’izao Karemy izao ny dinika ary
nofaranana tamin’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Kônfesy.
Tamin’ny
2ora tolak’andro kosa no niaraha-nankalaza ny Eokaristia izay notarihin’i P.
Mamisoa.
Samy
nahatsapa hafaliana ny rehetra nohon’ny vatsy masina noraisina
hoenti-mamakivaky izao vanim-potoana lehibe ao amin’ny Fiangonana izao sy hiomanana
amin’ny Paka.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire