Natao teto Andrambato ny Asabotsy 22 sy 29 Marsa maraina teo ny fiofanana ho an’ireo Masera eto amin’ny Délégation «Marie Reine de la Paix» mikasika ny fiainam-pirenena izay niarahana tamin’ny Jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe.
Zana-kevitra efatra àry no nentina nanazavana ny
fiainam-pirenena izay sady nahakasika ny tantaram-pirenena tany aloha koa, dia
tsy inona fa ny hoe:
- Madagasikara dia firenena manan-karena
- Madagasikara dia firenena matanjak
- Fa maninona anefa no mahantra ?
- Anatin’ny vanim-potoanan’ny fanatontoloana
Fanazavana tsotra nefa mafonja sy mahalaza zavatra
betsaka manampy hisaina sy handinika manoloana ny zava-misy iainana amin’izao
fotoana izao no nentiny namelabelarana an’ireo. Ka voakasik’izany daholo na ny isam-batan’olona, na ny isan-tokan-trano na
ny fiaraha-monina; na olon-tsotra izany na mpitondra. Nanampy an’izany koa ireo
ohatra mivaingana, hita maso ary iainana andavan’andro nanohanany ny fanazavany.
Fiainam-pirenena
no tena noresahiny fa misy hifandraisany be dia be amin’ny fiaintsika Relijiozy
amin’ny maha-Iraka sy mpanabe antsika eo anivon’ny seha-pikatrohana
isankarazany na ao amin’ny fiaraha-monina izany na eo amin’ny Fiangonana.
Niverimberina tamin’ny fampianarany ary tafalatsaka tao am-pon’ny rehetra ny
hoe: «tokony hanabe olona
tompon’andraikitra isika fa tsy olona tompon-toerana !»
Ny
Masera miasa any Ankazoabo moa dia nanana ny fiofanana ho azy manokana nohon’ny
halaviran-toerana.