lundi 7 juillet 2014

Assemblée régionale



«Avia ka jereo» ho amin’ny «style de vie» vaovao

Mpianatra sy iraka ao amin’ny sekolin’i Jesoa.


Io no lohahevitry ny Assemblée izay notanterahina teto Andrambato, trano foiben’ny Masera Orionista, tamin’ny 1-5 jolay teo. Assemblée régionale moa no notanterahina tamin’io fa ny Assemblée générale kosa dia amin’ny volana oktobra no hatao any Buenos Aires – Argentine. Sr M. Noemi Guzzi, Conseillère générale, no niaraka tamin’ireo mpandray anjara tamin’izany, izay nahitana solon-tena avy amin’ny Ankohonam-piainana rehetra eto Madagasikara, dia: Andrambato, Anatihazo, Mandiavato, Ankazoabo, Moramanga ary Miandrarivo. Ny andro mialoha dia nisy ny korana nanaovana kilalao samy hafa nomanin’ireo Novisy sy Postulantes ary nandraisan’ny rehetra anjara.
Fotoam-pahasoavana, fa fotoana nandraisana an-tànana ny fiainan’ny Délégation ihany koa. Nizara telo miavaka tsara ireo dimy andro ireo, ka ny ny voalohany dia nanaovana jery todika ny fiainana tao anatin’izay telo taona taorian’ny Chapitre générale izay, avy eo nisy ny «Lectio Divina» nanampy ny tsirairay hahatsapa ny hasarobidin’izao fotoana hiampitana amin’ny telo taona manaraka izao, ny fahatelo kosa dia ny fitadiavana ireo soson-kevitra hatolotra ny Fikambanana mba hampandrosoana azy amin’ny lafiny rehetra.



Hita fa faly ny rehetra ary samy mirary mba tsy hijanona ho soratra na teny fotsiny izay rehetra nandiana ron-doha nandritra ireo dimy andro ireo fa hitondra fiovaàna miainga amin’ny tsirairay, miampita amin’ny Ankohonam-piainana ary amin’ny Délégation manontolo.