Natao
teto Andrambato ny 4 hatramin’ny 6 marsa teo ny fiofanana ho an’ireo Jeunes
Professe eto amin’ny Délégation «Marie Reine de la Paix» - Madagascar.
Ny
andro voalohany dia niarahana tamin’i P. Augustin Rakotonomenjanahary – Krma,
namoaboasany mikasika ny «famindram-po»
ao amin’ny Soratra Masina. Nohazavainy ihany koa ny Lôgôn’izao taon-Jöbily
izao. Nofintininy ny zotra rehetra natao hatramin’ny nanambaran’ny Ray Masina
an’izao Taona izao. Fotoana nanatanterahana ny vavaka 24 ora ho an’ny Tompo
araka ny nangatahin’ny Papa moa ny zoma sy Asabotsy, ka nandray anjara
tamin’izany ireto Masera.

Ny
andro faharoa, dia nitrandrahana ny Famindram-pon’Andriamanitra sy P. Orione
izay niarahana tamin’i Sr M. Françoise Ravaoarisoa. Noraisina an-tànana sy
niasàna ilay toriteny malaza iray nataon’i P. Orione tany Castelnuovo, momba
ilay lehilahy nanisy poizina ny lovian-dreniny. Nisy araka izany ny fandinihana
samirery, ny asa isaky ny gropy ary ny tatitra. Ny hariva kosa dia nanentana ny
fialam-boly niaraka tamin’ny Ankohonam-piainana izy ireo.
Ny
andro fahatelo dia niainana ny journée de Deo gratias: andro iray nisaorana
an’Andriamanitra). Mba hampazava ny tiana hahatongavana dia novakiana izay
voalaza ao amin’ny Actes du XI° Chapitre général, fa nentina tamin’ny fomba
hafa kosa. Arakan y fanentanan’ny Papa tamin’ilay ensiklika «Laudato si», dia
izao vavaka izao no fandraisana anjara miaraka hisaorana Azy Tompo tamin’ny
nanomezany ny voaary, ary hakàna fikasana amin’ny fanajàna sy fikoloana ilay
tranobe iombonana.

Fa
anisan’ny nampahafantarina ireto Masera hoavin’ny Fikambanana ireto koa ireo
Boky sasantsasany izay tsara ho fantatra, na dia efa misy hay ihany aza :
ny PAI (Projet Apostolique de l’Institut), ny PGF (Plan Général de Formation),
ny PEG (Plan Economique Général) ary niampy ny fampitahana nombam-panazavana
mikasika ireo laharana vitsivitsy ao amin’ny Lalàam-panorenan’ny Fikambanana
nasiam-panovana hita ao amin’ny Acte du XI° Chapitre Général. Rehefa izany moa dia
nitohy tamin’ny fanaovana jery todika ny ezaka niaraha-nandray tamin’ny volana
aogositra.
Tamin’ny
vavaka hariva namaranana ny andro no namakiana andininy vitsivitsy manazava ny
atao hoe: «Deo gratias» ao amin’ny
PAI. Ny fisaorana an’Andriamanitra moa dia nampiarahana tamin’ny famantarana
izay efa nomanin’ny tsirairay ka natao miendrika vavaka. Ny jery todika
mikasika ireo andro telo niofanana no namaranana azy
Taorian’ny
sakafo hariva kosa dia natokana hifampizaràna ny andram-piainan’ny tsirairay
any amin’ny toeram-pikatrohany any avy. Tena nahaliana ny fifampizaràna.