vendredi 2 mai 2014

Journée Missionnaire Orioniste




« Seulement la charité sauvera le monde » (Père Orione)

Comme chaque année, le 01 mai la communauté de Sœurs « N. D. du Saint Rosaire » à Anatihazo a célébrée la  "Journée Missionnaires Orionistes".
Le matin, tous ont participé à l’Eucharistie célébré par le prêtre orioniste. Après-midi, dans la cour de l’Eglise, ont été organisés les différents jeux pour tout le monde. Chaque participant a gagné le cadeau. Tout s’est passé dans le climat familial et dans la joie.
Tout était organisé on collaboration avec les frères orionistes et le groupe de MLO (Laïcs Orionistes)
 
Ny fitiavana ihany no hahavonjy an’izao tontolo izao” hoy i Mompera Orione.

 Ny Alakamisy 1 mei teo no nankalaza ny “Journée Missionnaire Orioniste” ireo Masera ao amin’ny Ankohonam-piainana “Notre Dame du Saint Rosaire” ao Anatihazo.



Ny maraina dia nisy ny Sorona Masina niarahana tamin’ny kristianina rehetra, izay notarihin’ny Pretra Orionista izay eo an-toerana ihany. Ny hariva kosa, dia kilalao isan-karazany izay nahafahan’ny rehetra nandray anjara. Hita tao avokoa na ankizy na tanora na olon-dehibe ary tsapa fa samy afa-po, satria ny adidy vita, ny hafaliana azo, ary tsy nisy nitondra tanam-polo nody fa izay nandray anjara dia nahazo daholo! Ny fandraisan’anjara rahateo koa moa natao mora mba hahafahan’ny rehetra miara-paly.
 

Nanampy ny Masera tamin’ny fanomanana sy nandritra ny fotoam-pilalaovana ireo Frera Orionista sy ny MLO (Mouvement Laical Orioniste). 

Fa nisy koa ireo malala-tànana nanolotra zavatra samy hafa nampiasaina tamin’ny kilalao. Ny firaisan-kina tokoa no hery, hoy ny Ntaolo fa dia izay no tsapa tamin’io andro io.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire