mardi 6 mai 2014

FÊTE DE LA PAROISSE "JEAN XXIII" Avaratsena et de le DISTRICT Avaratsena qui est sous la protection de "JEAN PAUL II"


Le dimanche le 4 mai, la Paroisse d'Avaratsena a célébré double fête: la fête de "Saint Jean XXIII" Protecteur de la Paroisse et de "Saint" Jean Paul II Protecteur du District, deux Saints à peine canonisés par le Pape François. C’était grande fête! Actuellement, nous sommes présentes dans cette Paroisse à travers l’apostolat de nos deux consœurs : Sr M. Sylvie Rasoamanarivo et Sr M. Lidiane Razafiaritina.

La neuvaine pour la préparation à cette fête a commencé le 25 avril dans lequel chaque famille a été invitée à faire une prière particulière et commune, dans la même heure - à 20 heures.
Par contre, le triduum a été organisé de cette manière: suite

FETIN’NY FIANGONANA EO AMBANY FIAROVAN’I MD JOANY FAHA-23 sy ny DISTRIKA AVARATSENA EO AMBANY FIAROVAN’I MD JOANY PAOLY FAHA-2

Fety roa sosona be izao no indray nankalazaina teo amin’ny Fiangonana Avaratsena ny Alahady 4 mey teo, dia ny fetin’ny Mpiaro ny Fiangonana izay tsy iza fa ny Papa Joany faha-23 sy ny mpiaro ny Distrika dia ny Papa Joany Paoly faha-2 izay fantatsika tsara fa vao avy nasandratry ny Papa François ho amin’ny laharan’ny Olomasina. Nakotroka dia nakotroka ny fankalazana.

Masera Orionista roa no manao pastoraly eny amin’io Paroasy io isaky ny Sabotsy sy Alahady dia i Sr M. Sylvie Rasoamanarivo sy Sr M. Lidiane Razafiaritina.


Nisy ny fiomanana tamin’izany izay voalamina tsara:

Nanomboka ny 25 avrily ny vavaka hasivian’andro niombonana izay nanentanana ny Kristianina rehetra amin’ny 8 ora alina fa samy manao ny azy any an-tokan-tranony avy.

Ny telo andro talohan’zao fety manetriketrika izao kosa dia toy izao:

Alakamisy 1 mey: Sorona Masina tamin’ny 7 ora maraina. Ny tolak’andro dia nisy ny famelabelaran-kevitra mikasika ny fiainan’ireo Papa roalahy ireo.

Zoma 2 mey: Sorona Masina tamin’ny 6 ora maraina. Nisy ny horonan-tsary mikasika ny tantaran’ny Papa Joany faha-23 izay nanomboka tamin’ny 2 ora tolak’andro ary tamin’ny 6 ora hariva kosa ny Adoration.
Sabotsy 3 mey: tamin’ny 7 ora maraina ny Sorona Masina. Vita izany dia nanao prossession niainga teo amin’ny La Grotte ny kristianina rehetra nanombohana ny fankalazàna ny volan’I Masina Maria. Tamin’ny 9 ora maraina kosa ireo herivelon’ny Fiangonana rehetra no nanomboka ny asa sahaza azy avy: fanadiovana sy fandravahana ny toerana hanaovana ny Sorona Masina ny Alahady, fitaomana ny seza ilaina rehetra, nitetika ny hena hozaraina isam-paritra satria omby roa no novonoina, ka samy nahazo 30kg ho an’olona 100 isam-paritra, solon-tena mandray anjara amin’ny sakafom-pianakaviana. Ny tolak’andro dia nisy ny fifaninanana mikasika ny tantaran’ireo Papa roalahy ireo izay nandraisan’ny ankizy sy tanora ary olon-dehibe anjara. Taorian’izay dia nisy ny fandraisana ny Sakramentan’ny Fampihavanana.
Alahady 4 mey: Mgr Jean de Dieu Raoelison, Eveka mpanampy eto amin’ny Diosezin’Antananarivo no nanolotra ny Sorona Masina niaraka tamin’i P. Marcello Sorgon sy P. Michelin. Naverin’ny Eveka tamin’ny toriteny ny tenin’I Md Joany faha-23 hoe: “Izay tinao momba ahy no sitrako ry Ray”. Tsara raha mahay mamela ny tenantsika hiasan’Andriamanitra isika, ka izay tiany hanaovana azy dia raisintsika mba hifanojo ny sitra-pon’Andriamanitra sy ny antsika. Amin’izay fotoana izay dia mandeha tsar any fiainana ny finoana.
Taorian’ny Sorona Masina dia nisy ny antsam-panahy nataon’ny tanora avy amin’ny Paroasin’i Bemasoandro, Vonelina ary Joany faha-23. Dia niroso tamin’ny sakafo antoandro teo amin’ny mitatao vovonana. Fa nisy koa ny koràna niarahan’ny rehetra naneho ny hafaliany.
Tena nanakoako tokoa ny fetin’ireto Olomasina vaovao izay samy nanana ny tantarany teo amin’ny Fiangonana sy izao tontolo izao ireto, ka enga anie mba ho maro ny kristianina ho voatarika amin’ny oha-piainana tsara navelan’izy ireo!!!
 

2 commentaires:

  1. Réponses
    1. Indrisy fa ts afaka nanatrika noho ny halavirana na d isan'ny nibata vato tam fototra aza ! snif snif

      Supprimer