Nanomboka ny Talata 12
Jolay ka hatramin`ny Alakamisy 14 Jolay 2016 ny fiomanam-panahy JMJ
Cracovie izay natao teny amin`ny Centre Spirituelle BayPass.
Fiomanam-panahy tamin`ny alalan`ny Vavaka, katesizy, asam-baomiera sy
fifampizarana tao anaty Gropy.Teo ihany koa ny hafatrafatra sy ny
toromarika samihafa mikasika ny Esprit ho an`ny JMJ izay
nampahafantarin`ny Mompera Aumonier National dia ny Vavaka
mankamin`ny Fibebahana, Esprit de Sacrifice, Esprit de Communion,
Esprit de Partage izay tokony hiainan`ny PELERAIN sy motivation ho
an`ny JMJ. Marihina fa hatreto dia nanomboka ny fizarana gropy
amin`ny zavatra rehetra ho atao eto an-toerana ka hatrany CRACOVIE.
Ny 15 Juillet 2016
tamin`ny 1H 45 izahay no niainga teny amin`ny Airoport Ivato. Tonga
tao Paris tamin`ny 11H 35, niainga tao indray ary tonga Varsovie
tamin`ny 21 H 35. Taorian`io dia samy nanonjy ny Diosezy mandray azy
avy ny roatonta, miisa 13 Ireo nandeha amin`ny Diosezy TARNOW, ary 81
Ireo nandeha amin`ny Diosezy POZNAN.

Rehefa tonga tany an-toerana dia
nanaraka ny Programa samihafa izay efa nomaniny avy ny isan-diosezy
satria efa maro ireo tanora avy amin`ny Firenena samihafa no tonga
tao, niara-nivavaka, niombona tamin`ny zavatra rehetra natao, naneho
hafaliana tamin`ny fifampizarana kolon-tsaina samihafa nandritra ny
Journee Diocesienne.
Marihina fa tena naneho ny maha Malagasy azy
tokoa ireo PELERAIN avy aty Madagasikara tamin`ny alalan`ny dihy
mirindra AFINDRAFINDRAO miaraka amin`ny Fitafy Malagasy mampiavaka
azy ireo izay niarahana tamin`ireo tanora Polonais izay mpandray izao
JMJ izao.
Tsapa tokoa ny Fiombonana teo amin`ny roa tonta satria samy
naneho miaraka ny talentany avy tamin`ny alalan`ny Fifanankalozana
Kolon-tsaina.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire