samedi 15 mars 2014

Fiatahana Masina nataon’ny Centre «Md Luigi Orione» - Andrambato





Ho fiomanana mba hankalazana tsara ny Fetin’ny Paka dia nanatanteraka Fiatahana Masina ireo Ray aman-dReny sy ankizy ary tanora karakaraina eto amin’ny Centre ka teto Andrambato ihany no nanaovana an’izany. Ny loha hevitra nofidina tamina moa dia hoe: «Ny Karemy sy ny andrasana amintsika amin’ny fiainana azy».

Nozaraina gropy roa izy ireo, ka ny Ray aman-dreny dia niaraka tamin’i Mompera Landry, avy any amin’ny Diosezin’i Fianarantsoa, ary ny ankizy kosa niaraka tamin’i Fr Martin avy amin’ny Fikambanana Carmes.
Ny votoatin’ny fampianarana dia ny fanentanana ny tsirairay handini-tena manoloana ny adidiny sy ny ezaka tokony ho raisiny mba handrosoana amin’ny maha-kristianina sy amin’ny maha-olona, ka na dia eo aza ny fahasahiranana dia tokony homena toerana mandrakariva Andriamanitra.





Làlan’ny Hazofijaliana sy Sorona Masina moa no namaranana ny fotoana.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire