lundi 31 mars 2014

Fiofanana mikasika ny fiainam-pirenena Andrambato



 


Natao teto Andrambato ny Asabotsy 22 sy 29 Marsa maraina teo ny fiofanana ho an’ireo Masera eto amin’ny Délégation «Marie Reine de la Paix» mikasika ny fiainam-pirenena izay niarahana tamin’ny Jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe.

Zana-kevitra efatra àry no nentina nanazavana ny fiainam-pirenena izay sady nahakasika ny tantaram-pirenena tany aloha koa, dia tsy inona fa ny hoe:

  1. Madagasikara dia firenena manan-karena
  2. Madagasikara dia firenena matanjak
  3. Fa maninona anefa no mahantra ?
  4. Anatin’ny vanim-potoanan’ny fanatontoloana

Fanazavana tsotra nefa mafonja sy mahalaza zavatra betsaka manampy hisaina sy handinika manoloana ny zava-misy iainana amin’izao fotoana izao no nentiny namelabelarana an’ireo. Ka voakasik’izany daholo na ny isam-batan’olona, na ny isan-tokan-trano na ny fiaraha-monina; na olon-tsotra izany na mpitondra. Nanampy an’izany koa ireo ohatra mivaingana, hita maso ary iainana andavan’andro nanohanany ny fanazavany.

Fiainam-pirenena no tena noresahiny fa misy hifandraisany be dia be amin’ny fiaintsika Relijiozy amin’ny maha-Iraka sy mpanabe antsika eo anivon’ny seha-pikatrohana isankarazany na ao amin’ny fiaraha-monina izany na eo amin’ny Fiangonana. Niverimberina tamin’ny fampianarany ary tafalatsaka tao am-pon’ny rehetra ny hoe: «tokony hanabe olona tompon’andraikitra isika fa tsy olona tompon-toerana !»

Ny Masera miasa any Ankazoabo moa dia nanana ny fiofanana ho azy manokana nohon’ny halaviran-toerana.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire