mardi 1 avril 2014

Fiofanana hoan’ireo masera sy mpampianatra any Ankazoabo



«Ny Fiangonana aty Afrika manompo ny fampihavanana sy ny rariny ary ny fiadanana» Izay no novoaboasan’i P. Raharison Alain Thierry tamin’ireto mpiofana ny 26-28 marsa teo, tany Ankazoabo, Diosezin’i Morombe. Ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao no noresahina, izay mifamatotra tanteraka amin’ny asa Pastôraly ankinin’ny Fiangonana amintsika, ka izay no antony nandraisany an-tànana an’io taratasy fanentanana apôstôlika vokatry ny Sinôdy «AFRICAE MUNUS»  avy amin’ny Papa Benoît XVI io.
 


Nambarany àry fa tokony hifandanja mandrakariva ao amintsika olombelona ireto andry efatra lehibe ireto, dia: ny zò (Droit), ny adidy (Devoir), ny fitsipika (Discipline) sy ny hasina (Dignité) ary ny Doctrine no eo afovoan’izy ireo.
Fa ankoatran’ny fampiofanana moa dia nitsidika sekoly roa any Ambanivohitra ihany koa, dia tany Besavoa sy Ankilimasy. Na dia tsy zarizary aza ny toerana ianaran’ireo ankizy dia samy mifofotra mafy fa te-hiady amin’ny habadoana! Hoy i P. Alain namerimberina matetika nandritra ireo telo andro ireo hoe: «Mbola midadasika ny sahan’ny fitiavana eto Madagasikara !» Raha ny zava-misy no jerena dia marina tanteraka izany.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire