“Sambatra ny
mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra” (Mt 5, 3).
Tany Ambohimiadana, Vikaria Atsinanana no nankalazana ny andron’ny tanora
teto amin’ny Diosezin’Antananarivo tamin’ity taona ity. Asabotsy 12 avrily ny
fahatongavana tany an-toerana fa nisy ihany ireo tonga ny Zoma nohon’ny tsy fisian’ny
fitaovam-pitanterana ka sady nanao dia vavaka izy ireo nihazo an’Ambohimiadana.
1. Inona no atao hoe hasambarana?
2. Iza no mahantra am-panahy?
3.
Inona
ary aiza ny Fanjakan’ny lanitra?
Teo
am-pamaranana ny Sorona Masina no nanolorana ny Lakroan’ny Diosezy ho tamin’ny
Vikaria Avaratra izay handray ny tanora amin’ny taona ho avy. Nanodidina ny
5600 tany ireo tanora tonga, ary nahitana relijiozy lahy sy vavy maro koa.
Samy
faly ny rehetra nahazo aim-panahy vaovao hamakivakiana ny fiainana sy
hankalazana ny Herinandro Masina sy i Kristy nitsangan-ko velona.
Mankasitraka anareo masera tsy mahafoy ny tanora a!!
RépondreSupprimer