mercredi 16 avril 2014

Andro faha-29 eran-tany ho an’ny tanora



Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra” (Mt 5, 3).

Tany Ambohimiadana, Vikaria Atsinanana no nankalazana ny andron’ny tanora teto amin’ny Diosezin’Antananarivo tamin’ity taona ity. Asabotsy 12 avrily ny fahatongavana tany an-toerana fa nisy ihany ireo tonga ny Zoma nohon’ny tsy fisian’ny fitaovam-pitanterana ka sady nanao dia vavaka izy ireo nihazo an’Ambohimiadana.
Ny Asabotsy tolak’andro nanomboka tamin’ny 2 ora ny Katesizy izay nataon’ny Vikera jeneraly R.P. Ludowic Rabenantoandro mikasika indrindra ny fianakaviana sy ny fiainan’ny tanora izay nahaliana tokoa. Avy eo dia nitohy tamin’ny ny Làlan’ny Hazo fijaliana sady nizotra nankany amin’ny terrain izay toerana nilasina. Nandritra iny alin’ny Asabotsy iny dia nisy ny Kônfesy narahin’ny Sorona masina ary ny Fitsaohana ny Sakramenta Masina.
Ny Alahadin’ny Sampan-kazo dia nanomboka tamin’ny 8 ora ny Eokaristia notarihin’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona notronin’ny Eveka mpanampy Mgr Jean de Dieu Raoelison sy Pretra maro be.Teo am-panombohana dia nohazavainy ny taratasin’ny Papa François amin’izao andron’ny tanora izao, tamin’ny alalan’ny famoaboasana ireto fanontaniana telo ireto:


1.       Inona no atao hoe hasambarana?
2.       Iza no mahantra am-panahy?
3.       Inona ary aiza ny Fanjakan’ny lanitra?
Teo am-pamaranana ny Sorona Masina no nanolorana ny Lakroan’ny Diosezy ho tamin’ny Vikaria Avaratra izay handray ny tanora amin’ny taona ho avy. Nanodidina ny 5600 tany ireo tanora tonga, ary nahitana relijiozy lahy sy vavy maro koa.
 





Samy faly ny rehetra nahazo aim-panahy vaovao hamakivakiana ny fiainana sy hankalazana ny Herinandro Masina sy i Kristy nitsangan-ko velona.

1 commentaire: