Fanao isan-taona eto amin’ny “Piccolo
Cottolengo” – Don Orione eto Milan ny mitondra ireo marary sy sembana miala
sasatra kely any amoron-dranomasina miaraka amin’ireo ray aman-dreniny. Niova
kely izany tamin’ity taona ity, fa tany Roma no nitondrana azy ireo. Ireo mbola
velon-dray aman-dreny moa no niaraka tamin’ireo mpanabe sy ny
tompon’andraikitra ary Masera iray. Tamin’ny Alatsinainy 31 marsa hatramin’ny Zoma
4 avrily teo no nanatanterahana an’izany.
Fa ankoatran’ny tso-dranon’ny Papa
François, izay fahasoavan-dehibe tokoa, dia nanararaotra nitsidika ireo toerana
sy Fiangonana manan-tantara tao Roma koa izahay nandritra ireo andro ireo. Azo
lazaina fa hafaliana sy fifankatiavana ary firaisan-kina no nanjaka teo aminay!
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire