mardi 18 mars 2014

Fihaonana faharoa niaraka amin’ny Tanora tany Miandrarivo



Noho ny fahitana ny hamaroan’ny TANORA eto Miandrarivo dia natsidika tamin’ny Pretra ny vinavina hanangana eo anivon’ny fiangonana ny «vovonan’ny tanora» ka 12 taona – 30 taona eo no tafiditra amin’izany.

       Ny dingana voalohany natao: fijerena sy firesahana manokana tamin’ny tsirairay tamin’ireo olona noheverina fa hahavita hitantana azy ireo miaraka aminay Masera. rehefa nanaiky ireo olona vitsivitsy  fa adidy masina izany dia nantsoina hiara-mamolavola ny hevitra rehetra ao anatin’izany.Tena zava-baovao ho an’ny rehetra ka nahaliana ny maro. In-3 nivory ireo zay antsoina hoe «encadreures». Nampahafantarina azy ireo ny tantaran’i D.Orione niaraka tamin’ny tanora sy ilay teniny malaza hoe «kolokoloy ny tanora fa izy ireny no ho kotrobaratra na masoandro… ». Nampiana koa ny fanentanana tao am-piangonana.

        Notanterahina ny 16 Mars 2014 tolak’andro teo ny fihaonam-be voalohany fa efa faha-2 kosa no niantsoanay Masera azy ireo. Maro ny tanora nanohina ny antso, ireo avy lavitra kosa dia mbola nahatadidy ny fotoana nifanomezana. 210 teo izy ireono tonga ka ny tovovavy no maro an’isa.

*Tamin’ny tampany voalohany : dia namelabelarana ny hafatry ny Papa François ho an’ny KAREMY, momba ny fitiavan’Andriamanitra hamonjy ny olombelona ka nialany ny maha-Andriamanitra Azy ary nanaiky hahantra mba hampana-karena antsika, tsy tamin’ny hery fampiasan’izao tontolo izao fa tamin’ny fitiavana sy famindram-po. Avy eo novakiana isaky ny ampahany ireo fahoriana na fahantrana 3 nolazain’ny Papa narahina fampadinihana fohy avy, dia fahantrana ara-pitaovana, ara-pitondratena ary ara-panahy. Kristy sy ny Envanjely ary ny fahatokisana ny famindram-pon’Andriamanitra lehibe no manafaka amin’ireo. Vatsi-panahy fohy nentina nody ireo.

*Tamin’ny tapany faharoa: dia niditra tamin’ny fizarana gropy nampandraisan’ireo tanora anjara mivantana eo anivon’ny fiangonana  araka ny sokajin-taonany sy  araka ny andraikitra nomanina ho azy ireo zay tena nahalina koa. Dia nohazavaina aloha ny momba ny atao hoe «vovonana». Betsaka ny fanabeazana mety atolotra. Tsapa fa tena manantena azy ireo ny Fiangonana ka irariana mba samy haharitra hitady ny soa miaraka amin’i KRISTY.

Ireo ao amin’ny «encadreur» moa dia ahitana Mpampianatry ny misiona sy ny fanjakana, ny tomponan-draikitra eo anivon’ny  kominina, sage-femme, ray aman-dreny mahafantatra ny mponina sy ny tantaran’ny fiangonana, ireo nanana traikefa tamin’ny toerana hafa momba ny fitantanana tanora. Nomarihina tamin’izy ireo tsara fa na eo ny Masera na tsy eo dia tokony haharitra ny «vovonana», ny Masera dia zoky am-panahy miara-mamindra amin’izy ireo ihany.

Manomboka isika hoy D. Orione fa Andriamanitra no miasa. Alao hery àry fa miandry antsika koa ny olona tanimbolin’Izy Tompo. Misaotra amin’ny fifanohanana am-bavaka.   

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire