mardi 17 juin 2014

Fiofanana mikasika ny Lectio Divina



Notanterahina teny Ambolonkandrina ny Zoma 13 hatramin’ny Alahady 15 jiona teo ny fiofanana momba ny fanaovana Lectio Divina izay natolotr’i Mompera Domenico Marsaglia, avy amin’ny Fikambanana Domenikana. Any Italie izy no mipetraka fa mamangy aty Madagasikara izy io mandalo io.



Nozaraina in-droa miantoana ny fiofanana ka ny gropy voalohany no izao nahavita izao. Relijiozy mahazo sy afaka miteny italiana no nasaina tamin’izany, ka nisy Fikambanana 5 no nandray anjara tamin’izao, dia ny Petites Servantes du Sacré Cœur, Sœurs Carmélites de Turin, Petites Filles du Sacré Cœur, Petites Sœurs Missionnaires de la Charité ary ny Sœurs Hospitalières de la Miséricorde.

Ny andro voalohany dia nampidirana ireto mpiofana amin’ny toe-tsaina fanaovana Lectio Divina sy nanazavana ireo dingana harahina. Ny andro faharoa sy fahatelo kosa dia sady nanohizana ny fanazavàna no nanaovana Lectio Divina niaraka tamin’i P. Domenico mihitsy.
Nanentana ny tsirairay izy mba hanome lanja sy toerana ambony ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavanandro, satria io no sakafo tena tsara indrindra ho an’ny fanahy, hoy ny Papa François.
Fankalazàna ny Eokaristia no namaranana ireo andro nanovozana herim-panahy ireo. Hita fa faly sady afa-po ny rehetra, satria namaly ny hetaheta te hahafantatra bebe kokoa ny fifandraisana amin’ny Tenin’Andriamanitra izay natao. Mitaky finiavana sy fahavononana ary fotoana ny fanaovana azy, fa voka-tsoa ho an’ny fanahy kosa no entiny.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire