lundi 30 juin 2014

Miarahaba anao Masera M. Fatima



Tamin’ny fomba manetriketrika no namoahana ny mpianatra andiany faha-46 tao amin’ny CNPC (Centre National de Formation Catéchétique) - Antanimena ny Sabotsy 28 jiona teo, izay toerana niofanan’i Sr M. Fatima. Fankalazana ny Eokaristia tao amin’ny la Chapelle ao amin’ny ESCA no nanokafana azy izay notarihin’i Mgr Gaetano di Pierro niaraka tamin’ny Pretra vitsivitsy. 
Marono tonga nanotrona azy ireo: fianakaviana, namana aman-tsakaiza, ny iray Fikambanana sy Paroasy. “IRAKA”, izay no anarana nisaloran’izy ireo, maneho ny fahavononany amin’izay fanirahana miandry ny tsirairay, ka nifototra tamin’izay koa ny toritenin’ny Eveka. Nohamafisiny tamin’izany àry, fa na aiza na aiza, ary na asa inona na asa inona no atao dia iraka foana isika. Iraka mitondra mitory an’i Kristy. Talohan’ny tso-drano no nanolorana azy ireo ny “Diplôme” izay mari-pahaizana ihany moa, satria raha ny fiofanana azon’izy ireo dia betsaka tokoa.
Fisaorana no natolotry ny Eveka sy ireo mpampianatra ny andiany “IRAKA” izay samy nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny filofosana sy fikarohana nandritra izay 2 taona nikatrohana izay. “Nody ventiny ny rano nantsakaina” ankehitriny, ka rariny raha mifaly. Nanolotra fisaorana ny Fikambanan-drelijiozy sy ireo nandefa olona hiofana ao amin’ny Centre ihany koa ny Eveka, satria izay no antoka mamelo-maso ny Centre.
Rehefa izany dia niroso nankany amin’ny efitrano malalaky ny CNPC ny rehetra hifampizara ny fanalana hetaheta efa nomanin’izy ireo. Samy naneho ny talentany tamin’ny hira sy dihy ireo mpianatra, na ireo vao nahavita na ireo mbola hanohy. Nisy koa ny fanoloran’ireto zoky ny “saina” tamin’ireo zandriny izay narahina fifampirarian-tsoa.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire