mardi 24 novembre 2015

FETIN’I KRISTY MPANJAKA 2015 - FETIN'NY CCR ANKAZOABO



Roa andro no nankalazana ny fetin’i KRISTY MPANJAKA izay mpiaro ny sekoly antsoina amin’ny teny tsotra hoe: C.C.R. Ny sabotsy 21 sy alahady 22 Novambra ka toy izao ny fizotry ny fety:

Ny sabotsy 21 novambre tontolo andro: “sport” nifaninanan’ireo mpianatra isan-kilasy sy ireo mpampianatra sy ny mpianatra ny taranja “volley-ball” ary elanelanin’ireo “ballet” nataon’ny mpianatra isan-kilasy ihany koa.

Ny “sport” dia sady fialam-boly no fanabeazana ny ankizy sy ny tanora hanana fo malalaka sy mivelatra amin’ny lafiny rehetra, ireo mpanabe ihany koa mandray anjara amin’izany ho  anisan’ny fanatanjahan-tena sy modely ho an’ny mpianatra.

Ny “ballet” na ireo karazana dihy isan-karazany dia entina hampivelarana ny kolontsaina sy anehoan’ny tsirairay ny talentany.

Navitrika dia navitrika tokoa ny rehetra nanatanteraka izany rehetra izany nontronin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nanatrika ny fety fa tsy navelany ho fetin’ny sekoly ka ny mpianatra sy ny mpanabe ihany no mifampitazana.


 
Ny alahady 22 Novambra ny sorona masina lehibe  nanomboka tamin’ny valo ora sy sasany maraina fankalazana manetriketrika ny fetin’i KRISTY MPANJAKA  notarihin’i Père Georges ZENDER pretra tompom-paritany eto amin’ny paroasy.


Tena faly sy ravo nidera an’Andriamanitra tokoa ny mpienatra rehetra nandray anjara tamin’ny dihy vavaka mavitrika  toy izany koa ny kristianina rehetra nanotrona ireo mpianatra sy mpanabe.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire