lundi 22 février 2016

Fihaonan’ny Ekipa misahana ny fanofanana ny tanora



Tamin’ny Zoma 19 febroary teo no notanterahina teto Andrambato ny fihaonana faharoa nataon’ireo misahana ny fanofanana eto amin’ny Délégation:
-          Sr M. Lidwine Razanakolona: miandraikitra ny Aspirantes
-          Sr M. Sylvie Rasoamanarivo: miandraikitra ny Postulentes sy ny fanentanana ny
        Fiantsoan’Andriamanitra
-          Sr M. Laurencia Ranorosoa: miandraikitra ny Novisy
-          Sr M. Françoise Ravaoarisoa: miandraikitra ireo Masera nahavita ny Voady voalohany
-          Sr M. Charlotte Ramanarivo: miandraikitra ireo Masera efa nahavita ny Voady mandrakizay.
  

Taorian’ny vavaka fanombohana dia nanolotra fisaorana ny tsirairay ny Supérieure régionale amin’ny fahavononana sy ny fiaraha-miasa amin’ity seha-panofanana izay hita fa mihasarotra ity. Nitohy tamin’ny fifampizaràna nataony izay notsoahina avy ao amin’ny PGF (Plan Général de Formation) mikasika indrindra ny: firafitry ny ekipa misahana izay fanofanana izay, ny toetoetra tokony hananan’ny Mpanofana ary ny pedagojia amin’izay fanofanana izay. Vita izay dia nanomboka tamin’ny votoatim-pivoriana.
Zavatra efatra ny niaraha-nanao tamin’izao fihaonana izao dia:
  • Fifampizara ny traikefan’ny tsirairay amin’ny sehatra misy azy ;
  • Ny fametrahana tsara ny fanabeazana, ny fanofanana ary ny fitantanana ireo tanora ;
  • Fiaraha-mijeryireo izay tokony hiaraha-midinika sy mifampizara amin’ireo Supérieures amin’ny volana avrily ; 
  •  Famolavolana izay hatao amin’ny fihaonan’ireo Postulantes, Novices ary Jeunes professes amin’ny volana aogositra ho avy izao.

«Ny vary tsy fotsy tsy an-daona» hoy ny fitenenana, ka ny fiaraha-mientan’ny tsirairay no hahatontosana an’izany rehetra izany.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire