mardi 23 février 2016

Fivahinianana Masina



Nanatanteraka Fivahinianana Masina tany Ambiatibe ireo olom-boatokana teto amin’ny Diôsezin’Antananarivo ny Alahady 21 febroary teo.


Arakan ny efa nandaminan’ny UDRA (Uninon des Religieux et Religieuses de la Diocèse d’Antananarivo) azy dia ny isaky ny Distrika no manatanteraka ny vavaka eny an-dàlana miainga avy ao Ambohitra. Efa nisy moa ny boky voahomana narahina tamin’izany, dia ilay hoe: «Làlam-pijalian’i Mompera Jacques Berthieu».


Araka ny fandaharana ao anatin’ity boky ity, dia endrika telo no nisehoan’izay fandinihana am-bavaka natao izay:
 

-          Fihainoana sy fandinihana ny fijalian’i Jesoa ao amin’ny Evanjely;
-          Fihainoana sy fandinihana ny fijalian’i Mompera Jacques Berthieu, izay    tandindon’io fijalian’i Jesoa Kristy io;
-          Tonom-bavaka tora-po sy fangataham-pahasoavana samirery, na iarahana, otronin’ny vavak’i Md Jacques Berthieu maritiry.


Làlan’ny Hazo fijaliana, hira, sapile: izany no natao nandritra ny fizorana ny làlana nijalian’i Md Jacque Berthieu hatreny Ambiatibe.


Nisy ireo Pretra nanome ny Sakramentan’ny fampihavanana tonga teny an-toerana.

Tamin’ny 11.45 mn no nanomboka ny Fankalazàna ny Eokaristia notarihin’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan’Antananarivo notronin’ireo Pretra.

Nofaranana tamin’ny sakafo antoandro moa ny fotoana ary talohan’ny fodiana dia nisy ireo mbola naka rano nentina nody.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire